4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ataovy vaksiny - Kelly Rajerison

Torohevitra iray 'zay ho atolotro anao

Ho anao reny izay miezaka mitady ny soa ho an-janakao

Aza varimbariana sao dia diso aoriana

Tsara ny  mitandrina satria ny mitsabo manahirankirana

Ka natao hiaro ny vaksiny maro

Toy ny BCG, Toy ny DTCoq, toa ny Polio



Mandehana mamonjy ireo toerana voatondro

Natokana ho an'izany

Ka araho tsara ireo fepetra voalaza amin'izany e

Aza varimbariana sao dia diso aoriana

Tsara ny  mitandrina satria ny mitsabo manahirankirana

Ka natao hiaro ny vaksiny maro

Toa ny BCG, toa ny DTCoq, toa ny Polio



Izay no hafatro fa anjarantsika no mahafantatra

Na mpitondra firenena, na mpitondra fivavahana tsy misy avakavaka

Tariho sy ampio ireo ray amandreny hitondra ny zanany

Hatao vaksiny fa izay no anton'ny fahasalamana

Ka natao hiaro ny vaksiny maro

Toa ny BCG, Toa ny DTCoq, toa ny Polio





Ataovy vaksiny ny zanakao, BGC

Ataovy vaksiny mama, DTCoq

Ataovy vaksiny ny zanakao, Polio

Ataovy vaksiny neny e.




Partager ataovy vaksiny

Commenter ataovy vaksiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kelly Rajerison